4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiaraka hihira - Johary

Manomboka mihilana amin’izay ny masoandro

Soava e !

Te hisaraka indray fa efa tsara ka voaray

Izay niarahana teto hatramin’izay

Ny lalana hodiavina toa lavitra akaiky

Soava e !

Te mba hody amin’izay fa efa vita ny anay

K’ianareo raha toa moa sahy dia taraiky



Hirahira sy mozika izay natao

Nampifamatotra antsika teto hatramin’izao

Ny fo sy ny saintsika samy faly

Miara-midoboka avy eo dia miara-mifamaly



Mampamangy, izay ny androany

Tsy maintsy manainga na dia mbola malaina

Mitsangana, mandehana

Izay vitantsika teto hozaraina



Tsy tafandry mandry izay efa miandry

Mody e !

Dia hisaraka amin’izay fa efa tsara ka voaray

Mbola maika hitantara amin’ny zoky sy zandry

Mba maika hikorana koa ny any an-tanana

Mody e !

Dia mba hody amin’izay fa efa vita ny anay

Tsy maintsy hisaraka ihany na mbola tamana



Faingàna, faingàna ho’aho ny dia e !

Soava e !



Hirahira sy mozika izay natao …

Mampamangy, izay ny androany …



Ny masoandro hilentika, volana hitranga

Ny hazavana tsy ho tapaka, hitohy tsy ho banga

Hotohizana hatrany an-tanana ny korana

Na tsy hiarahana aza fenoy hafanana



Mampamangy, izay ny androany …



Faingàna, faingàna ho’aho ny dia e !

Soava e ! Soava e !




Partager hiaraka hihira

Commenter hiaraka hihira

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Johary