4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Alokao - Johary

Ireo nantenaina rehetra taminao

Dia rava tsy nahafa-po ooo

Na tsara na ratsy izay rehetra natao

Najainao izy mbola ao.



’Zaho anie namoy ny rehetra ho anao

Koa raha tsy mety izany

Dia hojereko ihany

Ilay efa sasa-niandry



     Dia hotiaviko izy, hotiaviko

     Efa tsy ho ahy ihany ianao.

     Omeko azy izay tokony ho anao

     Omeko azy...

     Dia hotiaviko izy, hotiaviko.



Ny fitiavako azy

Tsy maty fa takona ihany.

Koa raha niala ianao nanaloka tao

Hamiratra izy toa masoandro.



     Dia hotiaviko izy, hotiaviko

     Efa tsy ho ahy ihany ianao

     Omeko azy izay tokony ho anao

     Omeko azy

     Dia hotiaviko izy, hotiaviko

Partager alokao

Commenter alokao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Johary