4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Angolavaitra - Levelo

Tapatapaka-môza e nanaovanao fefy

Hiaro tanàna

Evokevo-dranomena laroina tambavy

Dia lasa ody an-doha



Fitiavako anao e mba mety ho toy izany

Ny ady natao e leferiko ihany

F’io tsikitsiky io aky dia angolavaitra

F’io no mamatotra antsika



Vakivakina voatavo no toham-baliha

Tsy mety mangina

Horakoraka ao anaty ilay feon-dokanga

Fitendrinao ho ahy



Ifalifaliako e itabatabako

Fitiavako anao e mba misy hiantako

Raha sendra malama ho’aho ny lalako ety e

Tsipazo antsamotady aho



Kesika tsy boboka aty nandrian-jatovo

Tsy ketraka akory

Verokely itoeram-pody

Milefitra ambany tsy folaka akory



Misafotofoto e mikopa-tadio

Mety hanavandra e hikotroka anio

Tohanako sandry aky ny oram-panala

F’io tsy hampihontsona antsika




Partager angolavaitra

Commenter angolavaitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Levelo