4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voka-bary - Levelo

O  o o o  o o o o o o o o

Nandalondalotra famoloana é

Ny olona voka-bary é

Ny vero mitosy amin’ny horompotsy é

Voasorotsoroka ah an

Niady vomanga efa roa sobika é

Faly rebika nikoràna

Fa hihinana rahampitso

Hihinana rahampitso ô

Eo amin’ny andro hivelezam-bary é

(Ny) trano mifanila, (ny) trano mifanila

Telo, folo no mifanampy

Mitandro ny hasim-piraisankina

Sasatsasatra mitadidy, valin-tànana tsy azo ariana

Mahandro vomanga hetsaketsaketsaka

hampitsetoka ny vavony

Raha hifampisaraka, tositosika

Mifankatiava raha manana’aina

Mifankatiava raha manana aina



O o o o o o  o o o o o

Tsongoin’olom-bolo Rafihavanana é

Fa mananjina ô ô

(Ny) velona rehetra mameno tany é

Tsy mahavita tena ah an

Ny omby mpihosy tsy diso anjara é

Rehefa vita ny vely vary hadrositra mololo

Hadrositra mololo

Tsakitsaky mafilopilotra ,  ny kidoro koloina

Kidoro koloina

Tsara lafika halemilemy é

Hitàvana daholo ny iray tanàna

Fianakaviamben-dralavatandroka

Any ambala no mankafy é

Raha hifamisaraka tositosika

Mifankatiava raha manan’aina

Mifankatiava raha manan’aina



Nandalondalotra famoloana é

Ny olona voka-bary é é

Partager voka-bary

Commenter voka-bary

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Levelo