4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rasoanantenaina - Levelo

-Aza raràna ny ankizy raha hanambady e

aza raràna oo ny ankizy raha hanambady e

avelao izy e handeha @ sitrapony a

avelao izy e handeha @ sitrapony a



-tsy hitanareo ve ity RASOANANTENAINA

tsy hitanareo ve ity RASOANANTENAINA

nivoaka sasak’alina nandeha namono tena

nivoaka  sasak’alina izy nandeha namono tena



-tsy hitanareo ve ity RASOANANTENAINA

tsy hitanareo ve ity RASOANNTENAINA

nivoaka sasak’alina nandeha namono tena

nivoaka sasak’alina izy nandeha namono tena



-dia nasiany soratra teo alohan’ny farafara

dia nasiany soratra hono o teo alohan’ny farafara

izay nilaza veloma ry dadafara

izay nilàza hono o veloma ry dadafara



-dia nasiany soratra manoloana ny vavahady

dia nasiany soratra hono ho aho manoloana ny vavahady

hoe veloma ianareo fa any an-koatra mifampitady e

hoe veloma ianareo fa any ankoatra mifampitady e



-fa noraràna izy tsy navela mba hitia

fa noraràna izy mantsy tsy navela mba hitia

koa dia naleony e ny maty mandrakizay doria

aza raràna ny ankizy raha hanambady..

Partager rasoanantenaina

Commenter rasoanantenaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Levelo