Ankaratra no midona ho\\\'aho zareo
Ka tsy tanako ny alahelo à!
Andringitra tombatombana tsy laitra
Mamoha ny tsiambaratelo à!
Ny ery Antsiafajavona midongy 
Dia manjombonjombon-dava
Lavitra anao ho\\\'aho ny tiana,Ralala
Ny sento no tsy misava.
 Misesy ny ambarakaly é!
 F\\\'izahay ts\\\'isy mpanotany à!
 Kilonga manao asaosy,tabataba
 F\\\'izahay lasana vinany é!
 Sabaka-na tovovavy tsaratsara
 Manako etsy avara-trano
 Rafotsy mampandro zaza takariva
 Variana mampilomano é!
Ilay tokana mitan-takolaka, mba ho aiza?
Manolana ranomaso à!