FASANADALA
Toa mahonena ny mijery eo am-baravarakely ity fasanadala
Maty nefa toa tsy misy hoe mba manana namana indrisy
Fa mitalaho mihintsy izy
Toy ny fahavelony tsy nanan-kavana
Ireo vorona anala no sisa namana
Toa mahonena ny maheno eo am-baravarakely
Ny siokam-borokely
Mandrakotra ny fasana indray maraina ireny
Ny zavony ririnina sy ireo feonahery
Adala mantsy ka hadinoina toa ny biby novonoina
Tsy mba nomena fitiavana
Mangidy anefa raha tavela toy ity adala irery
Ao am-pasana ao
Toa mahonena be ihany ny mahita dongontany
Feno bozaka malazo
Vovoka sy faka-kazo no manampy ano
Hanatrika ity fahanginao mba sarao
Iza re no mahalala fa ianao io adala
tsy very fa ao an-dohako ao
tsy maty fa ao an-dohako ao
MAHALEO