4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andro ririnina ... - Mahaleo

Tsy ny fanananao harena
No hampiova ny fitiavako
Fa na hisy na tsy hisy volamena,
Ianao no hany firavako ...

Ity foko efa tery
Feno fitiavana anao
Nahoana no dia avela irery
Moa va tsy mendrika anao ?

Na ny masoandro aza akia
Tsy mamiratra noho ianao
Maizimaizina ny aty
Raha toa ka hilaozanao

Feno rahona ny lanitra
Rava ny faniriako
Naleonao nagarika ahy
Toy izay hiatrika ny hakiviako

Lasa ianao toy ny andro ririnina
Nitondra hatsiaka sy taratra
Izaho kosa mitomany toa zaza nariana
Irery tratra andro fahavaratra

Tsy ny elanelan-tany
No hanova izato foko
Eny na dia lavitra ihany,
Ianao no ho tsaroako ...

Partager andro ririnina ...

Commenter andro ririnina ...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite