4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampindramo - Mahaleo

Ampindramo herintsaina
Hiarovako 'ty taniko
Izay tena tiako sady mamiko
Raha toa izany ka ilaina

Fa mihabe ireo sorisory
Mampanahy mampahory
Tsy hahitana andro mirana
Na mba tanjona hifikirana

Ampindramo haditrana
Hiaretako 'ty ngidy
Fa mafy ady mafy adidy
Manahy sy mintaintaina

Fa mihamaro ireo ankaso
Manditsoka ny fo sy maso
Aoka izay ny andraso andraso
Izay tena resaka alefaso

Ampindramo fa averiko
Hajaiko tsara sady ateriko
Rehefa olona afaka aho
Rehefa mba tafita aho

Aza be ankasoparana
Na dia nahavita fianarana
Ambinina tafita ambony
Ambony rahona irony

Ampindramo hadalana
Hiarovako 'ty taniko
Izay tena tiako sady mamiko
Raha toa izany ka ilaina ...

Partager ampindramo

Commenter ampindramo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite