4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampela - Mahaleo

Ry ampela avy any atsimo
Manja lanlandava
Izaho tsy hanambady
Ampela basy vava
Hifaliako izay manaraka

Ny ampela avy any avaratra
Manao milolalola
Izaho tsy hanambady
Ampela matim-bola
Hifaliako izay manaraka

Ny any ao an-dafy avaratra
Manam-bola hono
Izao tsy manam-bady
Ampela soa be nono
Hifaliako izay manaraka

Lahina taretra
Mitsatoka amin'ny tany
Ampela mitoretra
Tsy misy manontany
Hifaliako izay manaraka

Na vary ao an-daona
Ataovy tsara toto
Izaho tsy hanam-bady
Raha tsy sitrapon'ny TOMPO
Hifaliako izay manaraka

Partager ampela

Commenter ampela

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite