4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andriamanitra o! - Mahaleo

Andriamanitra o!

Mba toroy ny làlana marina

Fa ianao no fivoy tsy ampivarina



Ny fo sy saiko miharatsy

Ka takona ny hazavana

Hery tsy haiko no mamatsy

Mahabe fahotana



Mba miezaka aho hitraka

Nefa ny heloko minia mitàna

Ny famelanao ry Mpanjaka

Ny handresy ny gejan’iSatana



Ry Tompo, ry Tompo

Omeo hery aho

Ho entiko hanompo

Ny anaranao

Fa ny fakam-panahy

Mbola mananontanona ahy

Ny fitiavan-tena

Mahamenatra jerena

Vonjeo aho Tompo



Ao izy e! Hanome ilay anjara fitia

F’izy anie no mandre

Ny antsoin’ireo very dia

Ao izy e! Hanome ilay anjara fitia

F’izy anie, no hany mandre,

Ny antso manginan’ireo izay mania

Partager andriamanitra o!

Commenter andriamanitra o!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite