4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ambodiboanara - Mahaleo

Velona indray ny anjomara

Misy manafika Ambodiboanara

Misy te-hibata ny amboara

Misy avy any ivelany ny fahavalo

Anisany rivo-doza mpandalo

Fa ny tena ratsy dia ny ady ato an-trano



Horakoraka izany, horakoraka ihany

Ambodiboanara fialokalofana tsara



Ny zava-misy ao Ambodiboanara

Fiaraha-monina mamarara

Dia misamboaravoara

Ny mpanangana dia misy mpandrodana

Ny mpandrodana lasa mpanangana

Samy mifandrirotra samy te-hanana



Horakoraka izany, horakoraka ihany

Ambodiboanara fialokalofana tsara



Ny mpanangana misy mpanohana

Ny mpandrodana misy mpanohana

Misy koa anefa mpiandry kendri-tohana

Mora ny atao hoe fahavalo

Izay tsy zanaky dada dia efa fahavalo

Ny zanaka an-trano anefa tena dahalo



Ambodiboanara, fialokalofan’ireo mamarara

Ambodiboanara, fialokalofana tsara



Ambodiboanara, tanàna manan-tantara

Ambodiboanara, fialokalofana tsara



Raha tafavory ao Ambodiboanara

Vakibantsilana, vakibarara

Iaraha-manana ny mamarara

Ny avy ato anatiny aloha vahana

Ala-olana no ampiasàna

Fokonolona mbola tsy nialàna



Dia teny hierana no hifampitondrana

Ratsimandrava tadidin’ny eto an-tànana



Tsy taitra, tsy maika Ambodiboanara

Tsy taitra, tsy mika nefa tsy tara

Toy ny tanalahy mijery aloha,mijery afara

Tsy taitra, tsy maika Ambodiboanara

Hazakaza-dava tsy ahitana tsara

Hiram-pirenena efa manambara:



Hiadana sy ho finaritra i Madagasikara

Hiadana sy ho finaritra izay vao

Sambatra tsara

Partager ambodiboanara

Commenter ambodiboanara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite