Maraina manazava
ny andro androany hiainako
feno anao, feno anao ny androko
Ny antoandro be nanahary
mitsilo ny lalako
feno anao, feno anao ny antoandroko
F'efa ela ianao no tato am-po
f'efa ela ianao no nofiko
Ny hariva mandondona
ny voro-manidina iry
feno anao, feno anao ny harivako
Ny alina mangina
mandry ve ny tànana
feno anao, feno anao ny torimasoko
F'efa ela ianao no tato am-po
f'efa ela ianao no nofiko