4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avelao aho - MENDRIKA

Voninkazo mivelatra manja vao maraina

Tiako ianao mamerovero ny tontolo

Manintona manome hery (2) sy aina ô!

Mandravaka tsara dia tsara ny tokantrano



Avelao aho hanantona anao

Handao any

Miredareda tsy maty ato am-poko

Ianao ihany

Hiara-dia, hiara-paly aminao hatrany (2)

Tsy hifanary toa rano sy vary eto an-tany



Toa andry iankinan’ny tokantrano iray

Tiako ianao ilay mendrika meva tena kanto

Mahay mitantana tsara ny ho avy e! e!

Mifanohana mifanampy iray donak’afo



Avelao aho hanantona anao

Handao any

Miredareda tsy maty ato am-poko

Ianao ihany

Hiara-dia, hiara-paly aminao hatrany (2)



Tsy hifanary toa rano sy vary eto an-tany

Ouh! ouh! ouh! ouh!

Partager avelao aho

Commenter avelao aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MENDRIKA