4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mahatsiaro anao - MENDRIKA

Injay fa milatsaka ny orana

Mipatrapatraka aok’izany

Izaho miady amin’ny olana

Mandefa saina sy vinany



Refrain:

Mahatsiaro anao foana izaho

Ilay nametrahako ny foko

Tongava miandry anao foana aho

Tsy hisy intsony ny toloko



Na dia lavitra aza ianao eh !

Toa hitako

Raha vao milatsaka ny orana

Na any ambadika aza ianao eh !

Toa tsinjoko



Injay fa mandeha ilay hirahira

Mampanembona any ho any

Mitondra revy sovenira

Mahavelombolo ny fanahy



Malahelo mafy anao eh !

Ny fiainako

Na maraina na atoandro na hariva

Manirery tokoa aho e !

Marary fo





Tonony sy feony : RAKOTOSON Olivier Esperant


Partager mahatsiaro anao

Commenter mahatsiaro anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MENDRIKA