4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fanoloran-tena - Mireille



Nandalo ny fahazazana teny aho ;

Nandalo ny hatanorana teny aho;

Nankamamy ity fiainana aho,

Nifaly dia nilalao;

Ny anaranao ry Raiko, no tsy mba fiantsoko;

Anio ihany aho dia hanandrana ny hiaraka aminao.



Iza hianao no hiandrandra vintana ?

Iza hianao no hiandrandra izay harena ?.

Iza hianao no hiandrandra famonjena?;

Fa zava-poana ihany, ny  herim-poko lany;

miandry izay iriana, sao  manantena fifaliana.



Hianao no faniriako, inty aho;

Hianao no fifaliako, inty aho;

Hianao no fanovozana ny soa;

Fitiavan-droa, tsy manam-paharoa;

Sambatra izay mahita  ilay fitia tsy mety ritra;

Arovinao ny dia ho ao aminao mandrakizay.










Partager fanoloran-tena

Commenter fanoloran-tena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mireille