4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Masoandro mody - Mireille

MASOANDRO MODY

Masoandro mody efa leo ny tontolo

Raha goaika mody ho’aho leo ny tanim-boanjo

Zao anie raha mody maika hamonjy ny akany

Fa ny any ho any tsy mampandry saina (x2)



Io hariva mena masoandro io

No manainga ny vetso mankany

Io rivotra mitsoka mafy io

No mampita ny antsoantsony ho any (x2)



Tantely sy ronono tsy afohizako ny any

Miray donakafo, miray hafanana

Iriko ny aty tsy ho ambakan’izany

Fa ny ampitso e, no hiraisantsika

De ny ampitso ho’aho, no hiombonantsika



Ny alina maizina mitondra hazavana

Alao hery aky ho’aho de hisava

Ny lalako lavitra ho maivana ihany

Alao hery aky ho’aho hidify any (x2)



Ny rano sy ny vary hono tsy mifanary

Voahirana an-kamory tsy hisarak’intsony

Ny akanga iray ihany, tsy ho vakin’amboa

Fa ny antsika e, ho mafy toa izao (x2)



Ny alina maizina mitondra hazavana

Alao hery aky ho’aho de hisava

Ny lalako lavitra ho maivana ihany

Alao hery aky ho’aho hidify any (x2)

Partager masoandro mody

Commenter masoandro mody

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mireille