4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Indray hariva izay - Mireille

Indray hariva izay

Sento sisa nenti-nody

Nialoha lalàna ahy

Hamonjy ny fodiana

Eny(2) mamy raha hitohy

Iriko tsy hifankafohy ô!

Izay alehanao, alehako avokoa ry lahy

Raha lavitra ahy ianao

Izato dia tsy veriko irery ô!

Azo foana an’eritreritra

Ireo ora niarahana

Nitamberina ao an-tsaiko

Ireo(2) teny nisarahana



Tsy tafandry ny alin’iny

Nitanisanisa ireo fahiny

Na andro nifaliana

Na ady nifandirana

Toa tahirim-bolamena

Moa ho vasoka rahoviana

No nandraisako ny Herim-pitiavana

Ankehitriny moa

Indro izaho irery no hanarina

Ka hanohy ity tantara

Hiandrandra izay mahasoa

Ny fahatsiarovana anao anie

Hody hery hampionona ahy indray



Indray hariva izay

Sento sisa nenti-nody

Nialoha lalàna ahy nilaozan’olon-tiana

Partager indray hariva izay

Commenter indray hariva izay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mireille