4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy - Mireille

MISY



Misy kalo maniditsidina any, mitarika sento sy tomany.

Misy sioka malefaka any ho any, vetsovetso tsy nisy namaly.

Dia nindramiko ny hira rehefa tolaka iny, hiaraka aminy aho.





Misy loko natsidiky ny avana, namaky habakabaka fa tsy hay.

Misy loko natsidiky ny avana, saika mba hankany anie aho no nodifiny.

Dia nindramiko ny rahona efa dotran’ny masoandro, hiaraka aminy aho.





Misy teny manindrona dia lasa, tokony ho tadidy tsy tsaroana.

Misy teny voateny tsy kinasa, tokony ho adino fa tavela.

Dia nindramiko ny rivotra handingana ny fefy, hiaraka aminy aho.

Partager misy

Commenter misy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mireille