4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bazary kely - Ny Voanio

Ahitsio azafady



1- Ho aiza ‘ry ampela no mihaingo mirenty misendry misoratsoratra

Kasikasy famindra toa hamonjy fety somary miatoratoraka

'zato kavina jejo sy  ireo volamena saronany satroka penjy

Manova ny bika ho tsara jerena toa akanga iray mikarenjy



Ho an’ny Bazary kely fihaonan’ireo mpianakavy

Hiarana zavatra kely hafangaro amin’ny hena matavy

Bazary kely ry lahy e, toerana mahavariana

Bazary kely misy vidiana toerana misy tantely



2- Ho aiza i madama no dodona mafy mihelo manelatselatra

Mitaingina posy, mivimbina tanty, somary mivelabelatra

Poketra vaventy sy ara-damaody alofany lamba manify

Reo lokon-tarehy somambisamby ravahany nify mitsiky



Ho an’ny Bazary kely fandalovan’ireo tsara bika

Hividy izay tena modely miampy gisa mikiakiaka

Bazary kely ry lahy e, toerana mahavariana

Bazary kely misy vidiana toerana misy tantely



3- Ho aiza rangahy manao dingan-dava no maika sy mientanentana

Manao lanja anivo sy manavatsava mitondra ‘ty enta-mavesatra

Anana maintso voafatotra vahy, voankazo masaka koa

Akoho amam-borona avy nafahy ao aoriana sy avy ao aloha



Ho an’ny Bazary kely hitondra ireo entam-barotra

Hilana zay tombony kely ho enti-mandresy ny sarotra

Bazary kely ry lahy e, toerana mahavariana

Bazary kely misy vidiana toerana misy tantely



4- Ho aiza ity fiara mpanao taxi, mitrena sy mirifadrifatra

Maketsy makatsy mandeha makery fihetsika mikitakitana

Mamoaka setroka dia mitsorika mitatitra ireto vahiny

Ireo mpiatsena mpameno sobika mitsiky eny amboniny eny



Ho an’ny Bazary kely mitady ny maro sy ireo vaovao

Indrindra ‘zay tena modely, fiainana anie ka tsy vita amin’izao e

Bazary kely ry lahy e, toerana mahavariana

Bazary kely tsy maintsy vangiana toerana misy tantely



5- Ho aiza ary mantsy iry havantsika amin’ny andro mitataovovonana

Sasa-dahasa ka mamikavika ny lala-mamonjy ankohonana

Nefa tazano fa mirezareza dia lasa mivily ao an-tsena

Ao izy mantsy no mamonjy seza satria satria toka-tena



Ho an’ny Bazary kely hotelin’ny tsy manambady

Masikita sy ny menakely ampiana rano dia vita ny ady e

Bazary kely ry lahy e, toerana mahavariana

Bazary kely misy hitsakiana toerana misy tantely

Partager bazary kely

Commenter bazary kely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Voanio