4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiombom-pitia aminao - Ny Voanio

Hiombom-pitia aminao aho raha toa sitrakao

hisedra sy hamakivaky izao fiainana izao

raha toa ka ianao no mitantana ny diako

ho sambatra tokoa ny tokatranoko

ny fahoriana ho zary hafaliana



Ho tsiniko ve raha toa hanambara

ny fikasako anao mba ho anjara

izany no faniriko tsy ho hafaka an-tsaiko

ny endrikao mamiko

eny tiako no miaraka amiko



Ireo zanan-tsika rehefa rahatr’izay

mbola hanamafy ny fitiavan-tsika indray

ianao sy izy ireo no ho ravaky ny tokatranoko

ho saribakoliko ho filalaovako

hanafaka tokoa ny sorisoriko



Izany hafaliako raha tanterak’izany

tsisy hiriko intsony eto an-tany

ho tonga lafatra ny hasambarana

satria ianao ilay nofidiko sy efa tiko

no miaraka amiko



Ho tsiniko ve raha toa hanambara

ny fikasako anao mba ho anjara

izany no faniriako tsy ho hafaka an-tsaiko

ny endrikao mamiko

eny tiako hiaraka amiko

Partager hiombom-pitia aminao

Commenter hiombom-pitia aminao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Voanio