4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny masonao - Ny Voanio

Na tsy hisokatra aza ny vavanao miteny

Ny masonao no milaza, ny foko no mandreny

Raha vao mijery anao dia tsapako avy hatrany

Ny ao anatinao na tsiky na tomany



Raha tazako ianao izay mibanjina ahy

Ilay fijerinao baliaka,sahisahy

Dia azoko itokiana fa tsiky sy homehy

Ary teny fifaliana no setrin’ny ankaso



Raha sendra ny ankaso

Fa ny eto an-tany moa

Raha toa manganohano ilay dobo manga roa

Akomboko ny molotro, ny sento no atolotro ho setriny



Tadidio ilay ora vao nahitako anao

Ilay endrikao tanora, soa sy bakobako

Ny masonao mitady ny tsy hita

Mitsiky, miangoty fitiavana mahery



Na tsy hisokatra aza ny vavanao miteny

Ny masonao no milaza, ny foko no mandreny

Raha vao mijery anao dia tsapako avy hatrany

Ny ao anatinao na tsiky na tomany



Ny masonao ihany, milaza ny tsy hita

Ny teny tsy hita lany, ny hafatra miampita

No ahafahako milaza ary mbola hahalalako

Fa vita ny tety.


Partager ny masonao

Commenter ny masonao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Voanio