4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Matoa aho nitady anao - Ny Voanio

Matoa aho nitady anao satria

Tsaroako tanatiko tao

Ilay foko nitempo fitia

Hery tsy haiko resena

Sento sy embona koa

Ny atin’ny fo raha jerena

Dia tokana mba te ho roa



Nanavaka anao tao anatin’ny maro

Nitady anao eram-bazan-tany

Saika tsy nahita nefa kanjo tazako ianao

Ary tsapako tamin’izay fa tanteraka ny nofiko





Matoa aho nifidy anao satria

Ilay endrika sy bikanao

Dia nambabo ilay foko efa tia

Tsy fantatro izay ho ao aoriana

Sy mety ho vokatri’zany

Ny foko dia feno hafaliana satria tiako ianao



Nanavaka anao tao anatin’ny maro

Nitady anao eram-bazan-tany

Saika tsy nahita nefa kanjo tazako ianao

Ary tsapako tamin’izay fa tanteraka ny nofiko

Partager matoa aho nitady anao

Commenter matoa aho nitady anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Voanio