4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ranomasina - Ny Voanio

Ie ranomasina a! (2)

Ie rano, ie rano, ie ranomasina a! (2)



Sendra mijery sambo vao tonga a

Tandremotandremo tsara ny kilonga a!



Fa io ranomasina io dia manonja

Tsy mba manafosafo fa mitondra a!

Io ranomasina io dia manonja a!

Fa io ranomasina io dia manonja

Tsy mba manafosafo fa mitondra a!

Io ranomasina io dia manonja a



Ie ranomasina a! (2)

Ie rano, ie rano, ie ranomasina a! (2)



Sendra mitsimpona akoran-driaka

Mitandritandrema lahy isika a!



Fa io ranomasina io dia mipaoka

Tsy mba manafosafo fa mitsaoka

Fa io ranomasina io dia mipaoka a!

Fa io ranomasina io dia mipaoka

Tsy mba manafosafo fa mitsaoka

Fa io ranomasina io dia mipaoka a!





Ie ranomasina a! (2)

Ie rano, ie rano, ie ranomasina a! (2)



Raha sendra mijery sambo efa lasa

Tandritandremo tsara lahy ny zaza



Fa io ranomasina io tsy misangy

Fa rehefa lasany any mampamangy

Io ranomasina io tsy misangy a!

Fa io ranomasina io tsy misangy

Fa rehefa lasany any mampamangy

Io ranomasina io tsy misangy a!



Ie ranomasina a! (2)

Ie rano, ie rano, ie ranomasina a! (2)

Partager ranomasina

Commenter ranomasina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Voanio