4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia miserana - Rija Ramanantoanina

L - raha tsy ho ahy
ho ahy irery ianao fa ho azy koa
raha tsy ampy anao
fa efa tianao ny hampiara-droa
dia avelao ho ahy irery
ny fitiavako fa sao dia lo
ka tsy hahay hitia intsony avy eo

L - avelao ho ahy
irony lasantsika tsy ho foy
lazaina anio
fa ny ampitso aoka tsy ho leo
dieny mbola tsy miroborobo
fakany ilay fitia
dia aleo kapaina sao mamoa

V - tsy ninia ny hamitaka aho sanatria
na hoe tsy ampy ahy ilay kaloiko
fa misy fitia iray
tsy mbola hitako nandalo teo
dia tsy fantatro fa lasany aho

V - fa misy fitia iray miserana
nitondra afo teo
nangatsika aho dia
nantsoiny eo aminy
sanatria tsy hoe
tsy tia anao intsony aho
dia nandeha nandeha aho
dia niverina indray

L - sao sanatria tsy ampy anao ny fitiavako
V - mmh! tsy noho ianao na io fitiavanao no antony
ampy ahy tokoa izay nataonao sy ny fonao tena tia
manan'amby betsaka az'ireo
f'ilay fitita izay nandalo hafa tamiko
navalinao ka dia niniako nofantarina
tsapako avy fa tsotra nefa feno ny fitiavanao
hafahaf'ilay fitia vavao

LV - nampiova ilay fitia nentiny
nampitombo ahy ny fitiavanao
zary hafa tsy natao
ora farany ihany nentiny
mbola hafa ny fitiavanao

LV - fa misy fitia iray miserana
nitondra afo teo
dia nanampy ahy
izy hanazava anao
fa misy fitia iray
tsy manampetra ao anatiko ao
voatokana ho anao sy ho ahy

Partager fitia miserana

Commenter fitia miserana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite