4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavan-dray - Rija Ramanantoanina

Fitia maharitra, fitia miharitra

Fitia tsy hita faritra

Fitia miafina tsy hay tarafina

Satria mifono vy mahamay.



Tsy fantampantatra, kanefa fatratra

Ka mila ho tonga lafatra

Afenimpenina tsy dia tenenina

Izay no fitiavan-dRay.



Tsy mba tia misehoseho

Matetika aza jereo,

Fa manafay ireomania

Ny hanindroa sanatria!

Tsy manao haranam-po

Hizatra ratsy ho lo

Fa mampiseho tsotr’izao

Ny zava-tsoa tsara hatao.



Fitia mananatra, fitia mampianatra

Fitia mitsinjo lavitra

Tsy fanamperana,f’azo hianteherana

Hamela heloka sy tsy leo.



Fitia mitantana, fanahy sy vatana

Miaro sy misakana

Mba tsy hivarina,

Fitia manarina

Fitiavan-dRay ry zareo.

Partager fitiavan-dray

Commenter fitiavan-dray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite