4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Efa - Rija Ramanantoanina

EFA



Efa nisy fifaliana

Hita-soritra ta-nendrika

Sy tamin’ny fiainanao

Noho izao tety antany

F’efa niara-paly isika

Tampi-gohana ny santatry

Ny mamin-kasambarana

Fa vetivety ihany



Efa tsapako ny vesatry ny rojo

Volamena noho izay

Nanjary gadra, teo ambozonao izany

F’efa tapaka sy tohoka

Ny fatora-nampiray antsika

Ka naharary sy niteraka tomany



Efa matotra aho izao

Dia mahay mitsinjo ny ho avy

Dia ny vodiandro merika

Nijonjonantsamirery

F’efa nibaliaka indray,

ilay masoandroko fahiny teo

Nanomboka nazava io

Azo nanovozan-kery



Fa nanana akom-pery

Ilay fitiavako nangaina teo

antsampa(na)n-dalantsika, fisarahana voatery

Nefa ny ahy ny fiononako

Dia afaka nanolotra

Ireo tsara mba nananako

(Nomeko fa tsy very)4fois.

Partager efa

Commenter efa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite