4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hay ve ka nisy - Rija Ramanantoanina

hay ve ka nisy raozy nokoloinao haniry tamiko

fa ny foko no nandà tsy hamokatra intsony

nefa tsy kivy ianao

hay  koa ve nisy finiavana hikarakara taminao

fa ny saiko no ninia tsy hahafantatra ireny

fony naha teo anao

fa lasa ianao vao tsapako nony indro ianao tsy tazako

njay nilentika lalina am-poko ao

lalim-paka ilay raozinao

fa teo ianao tsy hitako, niteny ianao tsy reko koa

taitra ianao ninia natory irery aho

taitra avy eo aho nilaozanao

raha mbola misy izay voatahiry tamiko ao anatinao

ento ho ahy fa hokkoloiko ireo hiroborobo

toy izay nataonao ahy

raha mbola ao koa ilay teny hoe tia ambetin-dresakao

ento aty f’izay vao tsapako ny tena heviny nolazainao taloha

fa lasa ianao vao tsapako nony indro ianao tsy tazako

njay nilentika lalina am-poko ao

lalim-paka ilay raozinao

fa dindo tsy hay kosehina ao am-poko ilay fitiavanao

ka ny hany faniriako dia izao

mandrakizay ho ahy ianao

fa dindo tsy hay kosehina ao am-poko ilay fitiavanao

ka ny hany faniriako dia izao

mandrakizay ho ahy ianao

Partager hay ve ka nisy

Commenter hay ve ka nisy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite