4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampitapitao - Tovo j'hay

Ampitapitao any ny hafatro
Raha mba mandalo any ianao
Lazao izy hoe:
Efa ela ihany no tsy tazany
sa efa adinonao ny fisiany ao?
Raha toa sitrakao
Izao lazao

Fiv: fa mbola tiany foana hono ianao
Tsy miova
Na ho ela na ho haingana
Fitia tsy sangisangy na koa hatraitra
Fa rehefa tia dia ho doria
Valio tsotra eny na tsia

Bitsibitsiho eo an-tsofiny
Fa mbola tia azy aho hatramin'izao
Raha sanatria mifanohitra
izay valin-teniny lazainy anao
Raha toa sitrakao izao lazao:

Fiv:...

Partager ampitapitao

Commenter ampitapitao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo j'hay

Suite