4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho avy any aho - Tovo j'hay

Aza manahy
Tsy ho ela dia ho avy aho
Andraso kelikely aloha
Toneo ny fo
Aza asiana ahiahy
Tsy lavitra intsony aho
Aza tomany
Avelao any izany rehetra izany

Ianao irery ihany aloha no ao an-doha
Tsy misy hafa fa ianao tokoa
Ianao irery ihany hatramin'izao no tiako indrindra
Tsy haiko atakalo tsy haiko afindra

Ho avy any aho hijery anao ka dia tsenao
Ilazao ry Kaky sy i Neny izao dia izao
Aza ela sao dia ho dify eo indray ny lera
Ka tavela

Tsindrin-daona
May ny hahita
Afoiko avokoa ireo rehetra ireo
Izay tsy vita
Hiteny aminao
Hilaza aminao fitia tsy ho ritra
Ny foko kely izay mitempo anao oviana ho tritra

Ianao irery ihany aloha no ao an-doha
Tsy misy hafa fa ianao tokoa
Ianao irery ihany hatramin'izao no tiako indrindra
Tsy haiko atakalo tsy haiko afindra

Ho avy any aho hijery anao ka dia tsenao
Ilazao ry Kaky sy i Neny izao dia izao
Aza ela sao dia ho dify eo indray ny lera
Ka tavela

Ho avy any aho...

Partager ho avy any aho

Commenter ho avy any aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo j'hay

Suite