4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay rendez-vous - Tovo j'hay

Toa feon’ankizy be dia be   mikakakaka
Samy falifaly fa toy ny tsy eto an-tany
‘lay mozika henoko any manakoako
Mampidoboka ny fo mameno trano

Henoy kely ange   na, na, na, na,    miara-manao hoe   na, na, na, na

‘Refa tonga ilay ora hifampitaona
Samy may ts’isy bedy fa te mba hihaona
Mihazakazaka hamonjy fidirana
Sao dia diso fotoana ka sahirana

Henoy kely ange   na, na, na, na,    miara-manao hoe   na, na, na, na
O o o o o o

Ref: ‘Lay rendez-vous,    aleo atao any ‘ndray
Tsara kokoa    fa any no milay


‘Reo jiro maro be m’tataovovonana
No mandravaka ny fety lanonana
Tovovavy jefijefy    toa manaitaitra
Milamindamina jerena tena raitra

Henoy kely ange   na, na, na, na,    miara-manao hoe   na, na, na, na

Gasigasy, dance hall, blouse, rock
T’sisy miala fa reveny t’sisy mitsoaka
Gaga anefa toa tsy mety vizana
Mailamailaka am’ty fandihizana

Henoy kely ange   na, na, na, na,    miara-manao hoe   na, na, na, na
O o o o o o


Ref: ‘Lay rendez-vous,    aleo atao any ‘ndray
Tsara kokoa    fa any no milay


Tovo J’Hay

Partager ilay rendez-vous

Commenter ilay rendez-vous

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo j'hay

Suite