4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Antsika roa irery - Tovo j'hay

Aoka aloha
Efa samy miaiky isika roa
N'inona n'inona mety hiseho hiarahantsika mizaka ireo
Ny toky izay
Hifanaovantsika indray
Ho namanao foana hatrany hatrany na ho tsiky io na tomany
Miezaka mitia
Maniry ny hiaraka
Mifanjo ery!
Malaina hisaraka
Efa hiara-malala izao
Ianao dia manana ny fiainanao
Mataotra aho, ka vahotra aho
Sao dia manahirana,
Hiniko tsy lazaina,
Tsy tiako ho tantaraina
Aleo aloha miafina aho tsy hiseho
Mbola ho hita eo,
Antsika roa irery
Fiainana ireny
Ny fontsika misento,
Indray miara-mitempo
Miezaka hifanantona indraindray,
Dia avy eo tsy sahy
Te hifankatia,
Am-po mangina
Indray andro any
Mety ho fiomehezantsika ihany
Izao tantara izao,
Ninina natao
Efa voafaritra,
Izaho akia,
Maniry hiaraka ho doria
Mba ho matotra,
Efa voafatotra
Ka aleo dia mionona
Miezaka mitia
Maniry ny hiaraka
Mifanjo ery!
Malaina hisaraka
Efa hiara-malala izao
Ianao dia manana ny fiainanao
Mataotra aho, ka vahotra aho
Sao dia manahirana,
Hiniko tsy lazaina,
Tsy tiko ho tantaraina
Aleo aloha miafina aho tsy hiseho
Mbola ho hita eo,
Antsika roa irery
Fiainana ireny
Ny fontsika misento,
Indray miara-mitempo
Miezaka hifanantona indraindray,
Dia avy eo tsy sahy
Te hifankatia,
Am-po mangina
La la la la.......
Antsika roa irery
Fiainana ireny

Partager antsika roa irery

Commenter antsika roa irery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo j'hay

Suite