4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aiza izy izay? - Mireille

Aiza izy izay no tsy hita eto intsony

Lasa lavitra angaha

Tsy tazako eto intsony

Ny ahitra ao andrefan-tanàna any a

Niarahanay nanala

Ny rindrina lelafin’ny orana

Tsy haharitra ny taona



Fiv: ô ô ô modia modia

       F’efa hariva anie izany andro

       ô ô ô modia modia

       Miandry anie ny ao an-tanàna



Aiza izy izay no tsy hita eto intsony

Lasa lavitra angaha

Tsy tazako eto intsony

Ny varavarankely ery ambony

Miempaka toa hiala

Ny orana mandady ny rindrina

Mamaritra tomany



Fiv:



Aiza izy izay no tsy hita eto intsony

Lasa lavitra angaha

Tsy tazako eto intsony

Ery an-dohasaha lonaka

Mba lasa saina ihany

Manjohy miakatr’ iny havoana iny aho e

Tsy hita izay hantsoina



Fiv:



Aiza izy izay no tsy hita eto intsony

Partager aiza izy izay?

Commenter aiza izy izay?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mireille