4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dada sy neny - BETTY

Dada malala ô! mitamberina ato antsaiko

ireo anatranatrao taloha, tsy mba najaiko

Ankehitriny, vao tsapako, fa diso lalana aho

Dada malala ô, voaraiko ny anatrao



Neny tsy foiko, nihantahantako hatrizay

indrisy tsy eo intsony ianao,

fa efa any ambany rangolahy

Ireo vavaka, tenin’Andriamanitra nampianarinao ahy

lova sarobidy, ho ahy mandrakizay



Dada sy Neny malala ô, masoandronay,

nananatra anay ianareo mba hifankaty!

nampianarinareo anay,

hoe Jesosy no fiainana mandrakizay,

Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana!

Ianao Jehovah Andriamanitra, Ray be fitiavana

Misaotra Anao izahay fa nahazo fahasoavana

nomenao Dada sy Neny, Raiamandreny ampanahy

nanoro anay ny tena fiainana

Ilay fianana mandrakizay doria,

ilay famonjen’ilay Jesosy Kristy

------------------ mozika--------------

Isika rankizy, mpanazava ny tontolo,

isika no ohatra nomen’i Jesosy Kristy Tompo,

Aza rarana ho izy ny zaza fa avelao izy hanantona Ahy

Fa an’ny toa azy, ny fanjakan’ny lanitra



Dada sy Neny malala ô, masoandronay,

nananatra anay ianareo mba hifankaty!

nampianarinareo anay,

hoe Jesosy no fiainana mandrakizay,

Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana!

Ianao Jehovah Andriamanitra, Ray be fitiavana,

Misaotra Anao izahay fa nahazo fahasoavana,

nomenao Dada sy Neny, Raiamandreny ampanahy

nanoro anay ny tena fiainana

Ilay fianana mandrakizay doria,

ilay famonjen’ilay Jesosy Kristy



Dada sy neny malala ô, masoandronay,

nananatra anay ianareo mba hifankaty!

nampianarinareo anay,

hoe Jesosy no fiainana mandrakizay,

Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana!

Ianao Jehovah Andriamanitra, Ray be fitiavana,

Misaotra Anao izahay fa nahazo fahasoavana,

nomenao Dada sy Neny, Raiamandreny ampanahy

nanoro anay ny tena fiainana

Ilay fianana mandrakizay doria,

ilay famonjen’ilay Jesosy Kristy



Ilay fianana mandrakizay doria,

ilay famonjen’ilay Jesosy Kristy



Ilay fianana mandrakizay doria,

ilay famonjen’ilay Jesosy Kristy

Partager dada sy neny

Commenter dada sy neny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BETTY