4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dera sy laza - Sareraka

FIV:DERA SY LAZA  ho anao

  dera sy laza anie anao o

   dera sy laza  ho anao

  dera sy laza anie ho anao o

   dera sy laza ho anao

   dera sy laza anie ho anao o

  ALELOIA !...



1- Misaotra anao Andriamanitra

izay nangatahiko tsy diso

manjàka be ny disadisa

reo mataho- gidragidra

ila-peko ny piesy

tsy mbà marary ny hoza-pe

mandeha tsara ny CEDES

mandeha soa ny LAGUNA

EH! jereo ny anakà

efa nahazo fahefa

mitombo isa ny villà

izaho izay leo tahom-bary

no lasa nihinana madrigaly.

Ka dera sy laza ny anao



2- Misaotra anao Andriamanitra

nataonao sefom-bondrona

notroninao vahoaka dondrona

ireo tokoa no be manohana

ireo tokoa no be manotrona

vahoaka tena tia  dia tongotra

tena zatra hani-kotrana

tena vahoaka tia fripy

tena vahoaka tia mitsitsy

tena vahoaka kilalao

manaiky izay tiako atao

dera sy laza  ny anao...





3- Misaotra anao Andiamanitra

nahazo vahoaka mora vidy

omem-bola kely sy vary

dia efa miova safidy

vahoaka tsy tia manan-tahy

fa tena ho tia ireto vahoaka

tena mora fialam-boly

loka rongony ary toaka

refa mamo dia matory

tena vahoaka tsy mbà fetsy

tsy mbà mino aferafera

ka ny karàmako 9 hetsy

nahazoako hélikoptéra

dera sy laza anie ny anao.

dera sy laza ho anao(2)



4-Misaotra anao Andriamanitra

amin’ireto mpanompo mahatoky

voabaiko tsara toa  boloky

mahay havia sy havanana

indrindra tsipazana fananana

mahavita izay sahanina

nampianao mpitady sôsy

mahazo toerana dia variana

dia haut-parleur be mikôzy

ireto vahoaka koa mangina

na dia efa mofo akondro vava

mbola mino kobaka am-bava

ireo izay délégué izay mbà henjakenjana

miseho omby tsy voafolaka

indro kosa fa milefitra toa  zanak’omby tsara hofaka

dera sy laza anie  ny anao



5-Ny iderako anao manokana

ireto contrat izay vendrana

tena mahay miady an-trano

vahoaka taritin’ny asa serana

miady vary sy rano

nampianao avara-pi

mitovy @ mpianatra abidia

tsy mahalala izay vahoakany na lalaoviko @ saokany

nampianao miaramila

tsy mbà tia adiady

mpankasitraka girady

na  ho ritra  ny safira

na  gasikara ho maina sy kila

d’ efa niova koa ny rasa

milamina tsara ny orin’asa

adidin’ny havany ny tsy an’asa

dera sy laza ny anao...

ny indro kely fangatahako

ho ahy sy ny  akamako

ataovy be ny rôplanina

ho entinay mitsangatsangana

andosirana mpirotaka

izay  mety  romotra  afa-trotraka

ny fanampim-pangatahiko

ireo izay be mokon-doha sahy mijoro  ho mpanohitra

mikononkonina ny hanongana

ataovy sesi-tany

raha azo atao ohatrohatra

mbà alaivo androany androany

dera sy laza  ny anao





FIV: in -3




Partager dera sy laza

Commenter dera sy laza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Sareraka