4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dia nindramiko - Mahaleo

DIA NINDRAMIKO



Misy kalo maniditsidina any, mitarika sento sy tomany

Misy sioka malefaka any ho any

vetsovetso tsisy namaly





2X Dia nindramiko ny hira rehefa tolaka iny

Hiaraka aminy any aho



Misy loko natsidiky ny havana

Namaky habakabaka fa tsy avy

Misy loko natsidiky ny havana

Saingy mba haka anie aho nodifiny



2X Dia nindramiko ny rahona efa dotra ny masoandro

Hiaraka aminy any aho



Misy tsiny manindrona dia lasa

Tokony hotadidy tsy tsaroana

Misy tsiny voateny tsy kinasa

Tokony ho adino fa tavela



2X  Dia nindramiko ny rivotra handingana ny fefy

Hiaraka aminy aho

Partager dia nindramiko

Commenter dia nindramiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite