4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Diavolana - Mahaleo

Tsi..tsiritsiritsiri……

Diavolana fenomanana,

Manazava ny takariva

Takariva irainsantsika

Takariva iombonantsika

Omankomano ny bodofotsy

Fa mangatsiaka ô (2)



Ndao zalahy handeha hamonjy

Hamonjy vakisaova (2)



Vakisaovan’atsimo-tsena

Vakisaovan’Ambohimena

Aiza no atao hoa ny kilalao

Ao an-tampon-tananan’Antanivao an ! !



Ndao zalahy handeha hamonjy

Hamonjy famadihana (2)



Famadihan’i Razananivo

Razananivo any Ambohimiarivo

Aiza no misy an’Ambohimiarivo

Atsimo andrefan’ny Vontovorona



Tsi..tsiritsiritsiri……

Diavolana fenomanana,

Manazava ny takariva

Takariva irainsantsika

Takariva iombonantsika

Omankomano ny bodofotsy

Fa mangatsiaka ô (2)



Ndao zalahy handeha hamonjy

Hamonjy didi-paotra

Didi-paotran’ny zanak’iza

Zanak’i dada manana

Aiza no misy an’i dada manana

Ao avara-patana



Tsi..tsiritsiritsiri……

Diavolana fenomanana,

Manazava ny takariva

Takariva irainsantsika

Takariva iombonantsika

Omankomano ny bodofotsy

Fa mangatsiaka ô (2)

Partager diavolana

Commenter diavolana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite