4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dify - Johary

Dify izy e

fa havoana maro isa

tsy hitahita no manakona azy

Any ambadika any

fa tsy tazana fa takona

ny sisa navelany ho anay

Dia tanindrazana efa ngazana

migaina, karakaina tsy antenaina ! ha !  



Dezaka anie

Fa ho todiko raha toa tsy atositosik’olona a !

Lavitra anie

Fa ho todiko ny lalana na tsy hitako ny aleha !

Na dia mafy aza e

Hikipiako, tsy hatoriako sy hikirizako

ary hamoizako izay tiako



Fa raha sendra ka mandalo ny olona

Zay toa vavana sy be monomonona

Hivorivory sy hikononkonona

Hitetik’ady sy mipaika vonona



Dezaka anie

Vao ho todiko raha toa tsy atositosik’olona a !



Dify izy e ...

Dezaka anie ...



Rehefa hita fa etsy aloha ny baolina a,

Ento aho ray tongotro hanomoromorona

Hanitsakitsaka, handia ny volana a,

Hamirapiratra sy ho mamin’ny olona



Faly aho leitsy

Sendra namana sy tapaka

hery be no indray nitana anah ka lasa aho



Dezaka anie

Fa ho todiko raha toa tsy atositosik’olona a !

Faly aho leitsy

Sendra namana sy tapaka

hery be no indray nitana anah...

Partager dify

Commenter dify

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Johary