4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Diso - 'Zay

Iny fahanginako fony ianao nandeha iny

Dia noraisinao ho fahareseko izany

O O O! diso ny eritreritrao



Hay! Izaho ‘lay niondrika toy ny hoe tsy nahajery

Dia nadikanao hoe niondrika fa very

O O O! diso ny eritreritrao!



Tsy resy akory aho raha nangina

Tsy sanatria hoe fahoriana

Raha toa ka lasa ianao

Izaho mihitsy no efa nahalala

Isika samy mody adala

Hoe tia nefa kilalao



Efa fantatro hatry ny ela fa tsy izaho sy ianao

No hiara-dàlana amin’izao fiainana izao

Fa rendrarendra fotsiny ihany toy ireo adalàna

Tsy natao ho ahy ianao fa mandehana

Vao niandoha mihitsy ilay fiarahantsika roa

Dia efa fantatro fa tsy ilay avy ao am-po

Fa rendrarendra fotsiny ihany toy ireo adalàna

Tsy natao ho ahy ianao fa mandehana



Eh! Diso ianao raha nitantara teny ho eny

F’izaho dia nihevitra fa teny izy ireny

O O O! diso ny eritreritrao!



Eh! Ilay tanako nitantana ny tananao

‘lay molotro nanoroka ny molotrao

O O O! kilalo fotsiny ireny!



Tsy resy akory aho raha nangina

Tsy sanatria hoe fahoriana

Raha toa ka lasa ianao

Izaho mihitsy no efa nahalala

Isika samy mody adala

Hoe tia nefa kilalao

Partager diso

Commenter diso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'Zay

Suite