4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Donak'afo - Levelo

Donak’afon’apombo

Tsy mba nisy hafanana

Izy anefa nandoro vantana tiana handraisako anao

Bitsibitsika teo

Horokoroka, angoty

Mamy kely ny antsika tiana ny omaly ho averina indray



Ny lalantsika rahampitso

Ngamba ho sarotra aleha

Fandrika, hisy hanadala,

Fitaka eny tsy miala

Ny angaredon’ankaso domy dia ho rava

Hiaraka isika



Fomba ataoko tsy miato

Mikalokalo mangina

Eo amoron’ny toko iandrasana anao raha sendra mba tsy eo

Feon-jorery tomany

Tsy hita anefa any ho any

Ny ahy ny saiko tsy izany lavitra anao mandefa vinany



Hotantanako ianao

Hitety ny onjan’ny tany

Etsy ankino ny loha

Miondakondana koa

Rodorodon’amboa tsy ahovoka firy

Hiaraka isika


Partager donak'afo

Commenter donak'afo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Levelo