4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fa hoavy tsy ho ela aho - Mahaleo

Fa hoavy tsy ho ela aho

hanolo ny hatsiaka ho hafanana

f’izaho tsy hamela ny haizina handresy ny hazavana

ireo mafy niafiko nandaozako ankany

namoizako ny tiako nefa nikipiko

mba hahafahako hivimbina hafaliana any aoriana



Fa nipotrapotraka ny hatsembohako

Toa tsy ho lavo ny vatako trotraka

Manahy ny ho lavo fa mijoro ihany

Tsy maintsy hivaly ,ny andro nanorana mbola ho tsara

Ianareo tsy hijaly,fa hoavy aho ho tonga

hikarakara any afara



Fa hoavy aho sombinaina

Tsy hahantra aho na dia tsy ho mpanana koa

Saingy tsy hiveri-maina

f’hitondra ny ampy hiavian’ny soa

Hoavy aho hitoetra hanandratra anao ho ambony

Ny fahoriana rehetra tsy handresy lahatra intsony

Fa hitony



Ianao sasa niandry nizaka nangina izay nidona

Tsy tafandry mandry nefa tsy kivy tsy nirona

F’injay isika hihaona ianao ilay nitondra

ianao ilay nizaka tsy ho olokolom-poana

fa hoasandratro ho mpanjaka

Afaka hitraka

Partager fa hoavy tsy ho ela aho

Commenter fa hoavy tsy ho ela aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite