4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fahazazana - Mahaleo

Veloma (2) ry fahazazana

Veloma (2) rehefa tsy tamana.

Veloma f’izaho tsy afaka hitana

Veloma(2) ndeha ka faingana



Avelao aho hamoy fo mangina

Eto akaikinao, akaikinao ry tiana

Torimaso, sakafo sy lalao

No niarahako taminao.



Arahaba e ry fahatanorana

Arahaba e ry fahalalana

Arahaba e ry fahadalana

Tsy ary voatanisa sarotra isaina



Nigoka, nifoka ary koa nijangajanga

Ny ota rehetra indro nitranga

Kilalao hafa kely no natao

Niova tantely isan’andro izao.



Dia veloma e, ry fahazazana

Veloma (2) rehefa tsy tamana.

Veloma f’izaho tsy afaka hitana

Veloma(2) ndeha ka fainganana



Nananontanona ary ny fahanterana

Miandry any am-pasana ilay toerana

Mitomany indray ny fahazazana

Ny fahafatesana nefa tsy azo ialana.



Dia veloma e, ry fahazazana

Veloma (2) rehefa tsy tamana.

Veloma f’izaho tsy afaka hitana

Veloma(2) ndeha ka fainganana


Partager fahazazana

Commenter fahazazana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite