4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fakitera - Levelo

Tsy hitako nandalo tsony izy e!

Bozaka maina an-davenona ô

Aloka matahotr’andro sisa e

Fa maty any ho any a le fakiteranay e!



De foana sy nangina tsisy tabataba tetsy ambavahady e!

Mpitsena lasa nody a!

Mpizara taratasy ambony sikileta fakitera maty a!

Ireo voromanga nanatona niala

F’izy kosa lasa any ankoatra paradisa e !

Ambany dongontany varavarambato

Asiana voninkazo a!



Fakitera nandimby fakitera

Nizara taratasy ihany fa saingy ferapara!





Lasa tsy nanao mbay lalana izy izy e!

Dify tsy hamangy tanana ôôô

Doroky ny ankason-tany izy e

Tandindona sisa raha toa ka mandalo a!



Fa folaka an-dantony efatra amin-telo fakiteranay

Nangina nangina

Nangina tsy niteny fa ambiroa no maty feon’avelo tsisy a!



Fa tanambokovoko vazy tanimanga marika najoro

Fa nisy fakit

Fa tanambokovoko vazy tanimanga marika najoro

Fa nisy fakitera teto a!

Sakaizan’ireo tary sy mpifankatia nisara-toerana ela



Nofo moa k’hisy fiafarany e

Hody vovoka ho tany raha tonga ny fotoana


Partager fakitera

Commenter fakitera

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Levelo