4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hakamoana - Mahaleo

Aiza re no hasiako anao
Hakamoana tafahoatra
Efa feno anao izao
Ity foko efa te hitroatra

Mihamafy isan'andro
Ny ankaso aterakao
Na dia alina aza ny andro
Ianao tsy mba mandao

             Fo iray no hiainantsika
             Tsy hita hivalamparana
             Revy iray no mintantana antsika
             Tsy ahitana fianarana

Kely sisa monja izao
Dia babonao avokoa a
Ilay toerana ao ampoko ao
Tena marina tokoa

Raha azoko anefa
Nandeha aho nilefa
Tsy hahita anao
Hanadino anao e

               Indrisy anefa toa tsy ampy
               Ny hery ao anatiko ao e
               Handeha aho vao maika miampy
               Ny alaheloko anao

Partager hakamoana

Commenter hakamoana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite