4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jamba - Rija Ramanantoanina

‘Reo hira izay fanaoko tena nankafizinao

Dia lasa tora-bato handosirako hatrizao

‘Reo hirahirantsika niarahina hatrizay

Dia tsy tiako ho re intsony ankehitriny



Dia lasa mantsy ianao namela fo iray hitomany

Ny antsony sy kiakany tsy nisy tsy nahare

Fa hay nivoaka indrindra ny efa niafina ela be,

Nanamaivana ity fo ‘zay saika mona



Efa fanantenana iray vaovao, no indro nitsiry

Namono ny anaranao

Vao hoe tsiriry, tsy hoe mandalo akory anao

Fa tena honina tokoa, hanarin’ireo teo aloha



Fa jamba sy tia adala aho hatrizay

Nanary lamba, raha vao nantoninao akaiky

Ary angamba nodoninao ny saiko hanaiky

Fa ianao no ilay fitia, ianao irery no fitia



‘Reo ratra nahazatra niaretako hatrizay

Tsy laitram-panafody nefa tena nahamay

Lazaiko anao anio fa tena sitrana ireo

Efa tsara mpanasitrana hafa no ianao



‘Reo hira izay fanaoko tena nankafizinao

Dia kalo tiany indrindra sady nahagaga ahy

Nasiany feo faharoa dia niara-nihira izahay

Tena kanto noho ny kanto fa lazaiko anao

Partager jamba

Commenter jamba

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite