4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kalon'ny mahantra - Mahaleo

Ny fahoriana nenti-natory no iarahana mifoha
Toa vady faharoa, vady tsy mahafapo
Nahatonga disadisa sy zavatra hafa maro
Mavesa-babena rehefa injay mifangaro
             Izany e no fahorianay e, niainanay hatramin’izay
             Izany e no fahorianay e, niainanay hatramin’izay

Ny mponina ato an-trano tsy mitsaha-mitombo
Mila ho vaky sy hanempotra ity trano bongo
Minaonaona ary koa mitomany
Ny kely am-pelantanana tsy hahavita izany
             Izany e no fahorianay e, mangidy, mangidy nentinay
             Izany e no fahorianay e, niainanay hatramin’izay

Ny lahimatoa nikopak’elatra, nandeha nirenireny
Nandao ity akany tsy an-kiteniteny
Ny vavy kosa hafahafa fitady
Nanao izay ahazoana amin’ny kivadivady
             Izany e no fitadiavanay e, mangidy, mangidy nentinay
             Izany e no fitadiavanay e, niainanay hatramin’izay

Nitady asa aho omaly, nolazaina fa maloto
Tsy nomena afa-tsy asa mampitotototo
Ny vadiko kosa manao ny sasa lamba
Nefa efa marary, maray mihitsy angamba
             Izany e no fitadiavanay e, mangidy, mangidy nentinay
             Izany e no fitadiavanay e, niainanay hatramin’izay

---

Dia tonga indray ny ririnina, hatsiaka mamirifiry
Ny lamba fitafy anefa tsy mba misy firy
Ny ankizy anefa efa jiatry ny hatsiaka
Mangovitra, mangovitra sady toa ratsy bika
             Izany e no ririninay e, mangidy, mangidy nentinay
             Izany e no ririninay e, niainanay hatramin’izay

Dia io koa rafahavaratra, ny orana no tsy tana
Azy ny tany, azy koa ny lalàna
Ny voly kely any halatrano potiky ny havandra
Tsy misy afa-tsy ny maso no mivandravandra
             Izany e no fahavaratray e, mangidy, mangidy nentinay
             Izany e no fahavaratray e, niainanay hatramin’izay

Dia tonga ny kirisimasy sy i Dadabe Noely
Rakotra kilalao ireo zazakely
Ny anay kosa milalao tapa-kazo
Firy taona izao tsy mbola mba nahazo
             Izany e no noelinay e, mangidy, mangidy nentinay
             Izany e no noelinay e, niainanay hatramin’izay

Arahaba tratry ny taona, dia samy ho tratry ny hoavy
Mivory, mikorana ireo mpianakavy
Ny anay kosa dia toa izao ihany
Tsy misy hafa tsy ny omaly sy ny androany
             Izany e no fiainanay e, niainanay hatramin’izay
             Izany e no fiainanay e, mbola hiainanay mandrakizay

Partager kalon'ny mahantra

Commenter kalon'ny mahantra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite