4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Karaborosy - Mahaleo

Manao azafady kely tompoko o!
F'aroso 'ty tantara
Misaotra anareo anio
Mba hiara-hihaino tsara o!
Tonga eto Tsarahonenana
Hitondra hira vaovao e!
Misaotra anareo anio
Mba hiara-hihaino tsara

Manao azafady amin'ny Ray aman-dreny
Hatramin'ny taona lasa ka hatramin'izao
Fa mbola hitohy ihany ny amin'ity
E! E! E! E! E! E! E! E! Eny o! (3)

Hianareo ve hijanona sa hiaraka aminay a! (2)
Karaborosy re ny tômobilina handahananay a!
Miaka-piakarana ilay izy mamindra vitesy o!
Midim-pidinana ilay izy manitsaka frein a!
Rehefa mijanona ilay izy vitesy point mort a!
Fiara vanona be numéro TG sady mery mandeha



Manao azafady amin'ny Ray aman-dreny
Hatramin'ny taona lasa ka hatramin'izao
Fa mbola hitohy ihany ny amin'ity
E! E! E! E! E! E! E! E! Eny o! (3)

Ikala Fanja mijanona tsy miaraka aminay a!(2)

Izahay tsy mila an'i Ra-Fanja sipakely tsy mahay ba-kely e!

Manao azafady an-dRafanja malala
Hatramin'ny taona lasa ka hatramin'izao
Fa vita hatreo re ny amin’ity
E! E! E! E! E! E! E! E! E! Eny o!

Manao azafady kely tompoko o!
Fa vita ny tantara
Misaotra anareo anio
Niara-hihaino tsara o!
Tonga teto Tsarahonenana nitondra hira vaovao
Misaotra anareo anio
Niara-hihaino tsara o!

Manao azafady amin'ny Ray aman-dreny
Hatramin'ny taona lasa ka hatramin'izao
Fa mbola hitohy ihany ny amin'ity
E! E! E! E! E! E! E! E! Eny o! (3)

Partager karaborosy

Commenter karaborosy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite