4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Levaly - Mahaleo

Iaraha-mahita, Iaraha-mijery

Tsy mety tafita fa mbola voatery

Ny sainy sy ny fieritreretany



Ka manao azafady aho

raha mitalaho

Fa izaho tsy hiady

Satria tsy mitovy ny entana



Fa samy nitady hasambarana!

ho vokatr’ireo hasasarana

Ka aiza indray no hilaharana

Fa mazana be ity fiakarana

ho anay tsy manana anarana

Azafady mba aza hiangarana

Rahoviana indray vao hifarana e!

Ity tohatra lava fiakarana



Ela efa voky, tsy mety hahatoky

ireo mbola noana tsy hijanona foana

amizao, na hivalaketraka

tsy maintsy hitady izy fa mafy ady

tsy maintsy hikaroka, ary hidaroka anao

izay no hetraketraka



fomban’ny olona ny mitsikera

Fomba ny vorona ny mianjera

Rehafa tsy mahay manidina

Ka amboary tsara ny laha-tantara

Aza variana mizara dolara

Ianao, sao dia mitsingidina



Tsy resy tsiakory izy ireny

Fa mangina tsy miteniteny

Ka hiaritra mandrakizay,

hiaritra ny mahamay,

Fa dondrona tsy mba mahay,

Kamboty reny sy ray

Ka anaovanao antsonjay

Sy avela ho main’ny sakay



fa hafa ny andri omaly

Samy tsy mbola nijaly

Mbola ampi dia ampy ny kaly

Samy mba nifalifaly,

Na tanora ny maintimalaly

Nifanaraka tsy nifamaly

Moa ve tsy izany le valy?

miantsoantso tsy misy mpamaly!



Raoul

Partager levaly

Commenter levaly

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite