4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Madirovalo - Mahaleo

Nalefa stazy tany Madirovalo
Ny mpianatry ny oniversite
Nalefa stazy izy ireo
Handinika ny zava-misy an

Maromaro ireo zava-misy
hitan'zareo tao Madirovalo
anisan’izany
ny tantaran’i Adamalandy
tantara marina izany lerony an.

Misy biby tsy azo jerena
Ary zay mahita tsy mahazo manambara
Biby be angamba
Bibilava ao anaty honahona feno bararata

Misy vahiny efa valovotaka
efampaka bararata,
tsy naharitra fa
Nitantara tamin'ny olona ô
Ny toerana nisy ilay biby.
Niaran-doza ho aho ny vady aman-janany.

Izany no tromban’Anelobe
Loharano madio
manondraka ilay honahona
ilay toerana fady an (2)

Nizara roa ary ny fitondrana
Ao amin’ny firaisan’i Madirovalo
Nizara roa izy ireo
Anefa samy mitondra vahoaka

Ny iray fitondram-panjakana
Izay ho entin’ny lehiben’ny firaisana
Ny faharoa dia ny fitondran’ny razana
Ka i Adamalandy no mitondra an’izany.

Izany no tromban’i Madirovalo
Any Ambato-Boeni,
tromba mitondra vahoaka
no sady tromba
ho entim-bahoaka. (2)

nan nan nan nan….

I Adamalandy dia mpanjaka mena
Taranak’ireo mpanjaka taloha
Izy no raiamandreny tanàna
Mitantana ny fomban-drazana

Ireo mpianatra avy any amin’ny
Avy any amin’ny oniversite
Tsy naharitra
Fa nangata-pitahiana
Sy tso-drano
Amin’i Adamalandy
Tao anaty somba no nanaovan’izany an

Izany no somban’Anelobe
Fangatahim-pitahiana
Fanahin’ireo razam-be
No mipetraka ao an
Izany no somban’Anelobe
Fangatahim-pitahiana
Fanahin’ireo razam-be
Toa mbola mitahy an.

Nan nan nan nan…. (2)

Nalefa stazy tany Madirovalo
Ny mpianatry ny oniversite
Nalefa stazy izy ireo
Handinika ny zava-misy an

Maromaro ireo zava-misy
hitany zany   tao Madirovalo
anisan’izany
ny tantaran’i Adamalandy
tantara marina izany lerony an.

Partager madirovalo

Commenter madirovalo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite