4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Adin'ny mpivady - Mahaleo

Hadalanareo mivady raha eto imasonay ankizy no miady
Namoaka teny tsy voahevitra
Samy tsy mba nahay nandefitra
Aza tsiny raha toa mamelively,na dia tsy fomba velively
Fa ohatra ratsy no nomenareo e!
Ity hiafaranay no mba jereo
Na te-hisondrotra aza tsy afaka
Fa efa lavo mialoha sy solafaka
Tsy misy mihevitra ny hanarina
Tapa-tongotra very am-bodifiakarana

Naleo hatramin'izay nangina
Fa ny fonareo no niriana
Raha toa ny antitra mibaribary
Tao anatiko tao anie mba narary
Ireo teny hafahafa sy ireo vono samihafa
Azo sary mifantoka ao an-tsaina
Mampanjombona ireny maraina

Ireny DADA misafoaka
Toa enti-javatra,enti-toaka
Ireny NENY mitomany
Ranomaso foana noho fiadiana hatrany

Ny anaranareo no voatonontonina
Fantatra am-bavan'ireo mpiara-monina
Zanak'adala no fiantsoany anay
Fa adala RAY,adala RENY
Bitsibitsika lava izao izay rehetra lalovanao
Tondro molotra tsy efa koa
Na te-hisondrotra aza tsy afaka

Partager adin'ny mpivady

Commenter adin'ny mpivady

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite